28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

Ny apôstôlàn'ny lahika dia ny fandraisana an-tanana sy anjara mavitrika ataon'ny lahika amin'ireo asa famonjena ny olona iandraiketan'ny Fiangonana. Ny Fanahy Masina noraisina tamin'ny Sakramentan'ny Batemy sy ny  Fankaherezana no apinga entina manatanteraka ny asa no maniraka. Ny Lahika rehetra dia manana adidy hitondra famonjena ho an'ny olona tsy ankanavaka... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Feno 29 taona anio ny Radio Don Bosco FM 93.400. Fanamby hatrany ny hanakaikezana hatrany ny mpihaino... ♦ Niavaka ny fankalazana ny 26 jona omaly teny Mahamasina, nisy ireo teratany vahiny nandray anjara... ♦ Tsy hisy atahorana ny famatsiana solika, hoy ny Ministry ny Angovo sy ny ankoran'afo Jean Baptiste Olivier...

27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...