14 mey 2024 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

♦ Entina amintsika amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Afaka niditra teny amin'ny Kianja 13 mey ihany ny fikambanan'ny Hetsika Mai 72 androany, na tsy nahazo lalana avy amin'ny Préfet aza... ♦ Niakatra teny amin'ny PAC androany, ireo olona valo voarohirohy tamin'ny raharahan'ireo sokatra sy gidro tratra tany Thailande...

Anatin'ny fikambanan-jiolahy no misy an'i Sedra sy i Feno ; avy nanafika toerana iray izy ireo ka niara-nisotro taminà bar. Manomana fanadinana i Mlle Lila ary miezaka mifantoka amin'izany, nandrisika azy hianatra mafy i Vola. Voadonan'i Sedra teny an-dalàna i Lila ary latsaka ka simba tamin'izany ny findainy, nampiresaka azy i Sedra ary nifanakalo laharana finday izy roa. Rehefa tafahaona i Vola sy Lila dia nifampitantara ny fanafihana sy vakin-trano teo akaiky teo, izay asa ratsy nataon'i Sedra sy ny namany...

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...