Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompo ny tarainany.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lò;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsy efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro mitaraina ny karamany ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo
sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono olo-marina ianareo,
fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 14-15ab. 15de-16. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny Lanitra.

Jereo ny hanjò ireo matoky tena,
sy lozan’izay minomino foana;
toa ondry mitoby mba hovonoina.

Hiraotra any am-pasana toy ny maty;
mba mailaka erý izy midina any.
Ny endriny hanjavona mora foana.

Ny Tompoko kosa mitsimbina ahy,
vonjeny amin’ny fahafatesana aho;
izay manan-karena aza dia ahina,

raha tany misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy hankaiza ny fiamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha,
nohasohasoiny any an-tampon-doha,
izao tafaray amin’ny Razany izy,

tsy hahita mazava mandrakizay.
Izany tokoa he ny manan-kaja,
dia mova tsy biby tsy manan-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 40-49)

Aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy;
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa havarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa havarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.
Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa havarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo.
Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo,
toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Tsara ny fanasina:
fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony?
Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 4, 13b-17)

Fa inona moa ny ainareo? Koa izao no tokony hatao: raha izao no sitra-pon’Andramanitra.

Ry kristianina havana, ny aminareo izay manao hoe:
Hankany Ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona,
ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra:
kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo;
fa inona moa ny ainareo?
Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray.
Koa izao no tokony hatao:
Raha sitra-pon’Andriamanitra, ka velona ny aina,
dia hanao izao, na izany izahay.
Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo;
ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 2-3. 6-11

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Mandrenesa, ry vahoaka rehetra;
mihainoa, ry mponina eran-tany:
na ny kely na ny lehibe,
na ny manana na ny malahelo.

Inona moa no atahorako amin’ny andro fahoriana,
raha temerin’ny mpisompatra mandoza,
izay mitoky amin’ny hareny,
sy mibohy amin’ny fananany be?

Fa samy mahita an’io avokoa:
fa ny hendry dia maty;
ny adala sy ny kentrina koa, levona,
sy mamela ny hareny ho an’ny hafa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

Izay tsy manohitra antsika, dia momba antsika.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay.”

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako
ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 4, 1-10)

Mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, ka tsy mahazo.

Ry kristianina havana,
avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo?
Moa tsy avy amin’ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va?
Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo;
mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana;
mifanditra sy miady ianareo;
ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka,
dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo,
ka tsy mahazo ianareo.
Ry mpisintaka mijangajanga ô,
tsy fantatrareo va
fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao?
Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao,
dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe:
Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoerina ao anatinareo?
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny,
raka ny lazain’ny Soratra Masina hoe:
Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra,
fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Koa maneke an’Andriamanitra ianareo,
ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.
Diovy ny tananareo, ry mpanota;
ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
Fantatro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania.
Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo,
ary hody alahelo ny hafalianareo.
Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra,
dia hanandratra anareo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 54, 7-8. 9-10a. 11b-11d. 23

Miankìna amin’ny Tompo, fa hanohana anao Izy.

Raha izay hono aho no mba ary elatra toa voromailala
hisidinana hitadiavana toerana,
dia indro ho nandositra any lavitra,
ka ho nonina any an’efitra.

Ho dodona hamonjy fialofana
amin’ny tafioka sy ny rivo-doza!
Akorokoroy, ry Tompo,
saratsaraho ny fiteniny!

An-keriny sy ady no hitako ao an-tanàna;
voasangodina andro aman’alina ny manda.

Miankìna amin’ny Tompo,
fa hanohana anao Izy.
Izy na oviana na oviana
tsy hamela ny olo-marina hivaona!

Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona. Izay te-ho voalohany no ho mpanompon’ny olona rehetra.

Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany;
sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 3, 13-18)

Fa raha fialonana no ao am-ponareo, aza mirehareha.

Ry kristianina havana,
iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina?
Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.
Fa raha fialonana mangidy sy fifampiandaniana no ao am-ponareo,
dia aza mirehareha, fa mandainga manohitra ny marina.
Tsy mba fahendrena avy any ambony izany,
fa avy amin’ny tany, sy ara-batana, ary avy amin’ny demony;
satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana
dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao sisa ratsy rehetra izao koa.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha,
ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana,
be indrafo amam-boka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin’ny fivavahana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8-10. 9. 10. 15

Ny Fitsipiky ny Tompo, mahitsy.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy.
Ny Didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.

Ny Tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay.
Ny Fitsaran’ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloany anie ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko, ry ilay Mpanavotra ahy!

Evanjely

Aleoia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)

Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re itý tsy finoako.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany,
dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy, sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa,
ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.
Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?”

Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankaty aminao aho;
fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy
no mandoa vory sy mikitro-nify,
ka efa mihamalazolazo erý ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho,
fa tsy nahomby izy ireo.”

Dia niteny i Jesoa nanao hoe:

“Ry taranaka tsy mino,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento atý amiko izy.”

Dia nentiny nankeo aminy izy,
ary vantany vao nahita Azy ny demony,
dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe:

“Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?”

ka novaliany hoe:

“Hatry ny fony izy mbola kely;
ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo
sy tany anaty rano mba hahafaty azy;
ka raha mba misy hainao re,
mamindrà fo aminay, ary vonjeo izahay!”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha hainao ny mino,
tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.”

Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy
no nanao an-dranomaso hoe:

“Mino aho, Tompoko,
fa vonjeo re itý tsy finoako.”

Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa,
dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe:

“Ry fanahy marenina sy moana,
Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io,
ka aza miditra aminy intsony.”

Dia sady ninananana ny demony
no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy,
ka efa toy ny maty ilay zazalahy,
ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy,
dia nareniny, ka nitsangana.
Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe:

“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”

Ka hoy Izy taminy:

“Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina
izany karazan-demony izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...