Ny vavaka ao amin'ny Soratra Masina no isan'ireo vavaka tsara indrindra. Ny vavaka dia tena tolona. Ny vavaka niain'ireo olom-bofidin'Andriamanitra dia afahana manaporofo fa ny vavaka dia tolona, indrindra rehefa manoloana ireo sedra maro samihafa... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alahady faha-3 mandavantaona — D : Ny tenin’Andriamanitra manampy antsika hifanotrona toy ny fanirin’akondro ; Nirahin’ny Tompo hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ary hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra. Mipetraka ny fanontaniana hoe manao ahoana ny fankafizantsika ny tenin'Andriamanitra ; teny lina nihaino an'Andriamanitra ny Jody tafaverina avy any an-tsesitany, afaka alahelo izy ireo ary sambatra. Ny tenin'Andriamanitra dia tsy boky fotsiny fa fomba sy olona izany hoe i Jesoa Kristy. Ny olombelona, ny Kristianina dia ratsam-batan'i Kristy ka samy manana ny anjara toerany avy, anefa iray noho ny maha iray ny fanahy izay nanaovana batemy antsika...

Ny vato ao amin'ny voa dia aretina mpahazo ny taova mamorina amany, manaraka hatrany amin'ny fantsona fivoahan'ny amany. Rehefa tsy ampy ny fatran'ny "Citrate" ao amin'ny vatana dia mampitombo ny tandindona mety hampisy vato ny olona iray. Ny vato ao amin'ny voa dia misy azo levonina araka ny habeny. Ny fisotroana rano no manampy ny voa hatanteraka ny asany. Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Tsy zakan'ny Malagasy intsony, raha mbola hisy krizy ateraky ny korontana pôlitika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana...
  • Manohy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 miainga ao Toliara ny fitondram-panjakàna...
  • Mbola manantena ny fisodrotan-karama ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina ireo Sendikà ho an'ity taona 2025 ity...
  • Miaramila vavy Israelianina takalon'aina miisa 4, teo am-pelan-tanan'i Hamas no havotsotra androany sabotsy hariva, raha ny nambaran'ny Hamas omaly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...