♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...
♦ Hodinihina eny amin'ny antenimiera mpanao lalàna amin'ny fotoana mahemety azy indray ilay volavolan-dalàna momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy ho an'ny toerana mpanapan-kevitra... ♦ Manana kandidà amin'ny fifidianana solombavambahaoaka ao amin'ny Distrika Ikongo amin'ny 29 mey ny fikambanana AFF... ♦ Nandrombaka medaly volamena amin'ny lalao afrikanina andiany faha-13 atao any Accra Ghana i Laura Rasoanaivo ho an'ny taranja Judo... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho filoham-pireneny manomboka rahampitso ny vahoaka rosianina. Tsy misy ny mpanohitra mifaninana amin'ny fifidianana...
♦ Nitombo 12 ny isan'ny solombavambahoaka hofidiana amin'ny 29 mey ho avy izao. Nolanian'ny Filan-kevitry ny Ministra ny Didim-panjakàna famenon'ny Didim-panjakàna tamin'ny taona 2019 mamaritra ny isan'ny mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Sakana ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara hoy izy ny tsy fahalavorarian'ny famatsiana herinaratra... ♦ Mitaky ny hanendrena ny governoran'ny Faritra Amoron'i Mania ny tompon'Anaran-dRay ao amin'izany Faritra izany. Ny Governora teo aloha izay lasa Ministry ny mponina sy ny Firaisan-kina...
♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco