♦ Tsy azo lavina ny fisian'ny olana momba ny resaka volamena eo amin'ny mpitondra ankehitriny sy ny firenena kômôriana hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Natomboka tamin'ity herinandro ity ny fanombohana ôfisialy ny fanavaozana ny raki-tsarim-paritra ho fanajariana ny tany ao amin'ny Faritra Anôsy... ♦ Mitombo isa ireo Malagasy liana amin'ny fampiasana angovo azo havaozina manoloana ny olan'ny herinaratra ankehitriny... ♦ Nanambara i Etazonia fa misy ireo miaramila kôreana tavaratra miray tendro amin'i Rosia ankehitriny...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241102.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...