♦ Mitana ny laharana voalohany ao anatin'ny fironana amin'ny ampahany amin'ny voka-pifidianana voarain'ny CENI, ny kandidà Andry Rajoelina. Manaraka azy ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Tsy mbola nisy taham-pandraisana anjara ambany tahaka ny fifidianana natao omaly, hoy ny vovonana ho amin'ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana. Naneho ny fahavononany hanohy ny fifampidinihana hatrany, ity vovonana ity... ♦ Hivory indray anio ny sendikà SECES Sampana Antananarivo, ka lahadinika ny fanapahana navoakan'ny filankevitra siantifika amin'ny hiverenan'ny fampianarana...
♦ Hiatrika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika eto Madagasikara rahampitso. Nampiharana "Couvre-feu" anio sy rahampitso alina, eto Antananarivo, hitandroana ny filaminana mialoha izay andro hanatanterahana ny fifidianana izay... ♦ Namoaka fanambarana androany ny Andrimaso FFKM, fa tsy handray anjara amin'ny asa fanaraha-maso ny fifidianana hotanterahana rahampitso... ♦ Fandrahonana no nandikan'ny SECES Sampana Antananarivo, ny taratasy navoakan'ny Filoham-panjakana, Richard Ravalomanana. Taratasy miangavy ny hanapahana ny karaman'ireo mpampianatra mpikaroka...
♦ Raran'ny lalàna sy mahavoasazy ny manakana ny olona hifidy, na manohintohina ny fanatanterahana ny fifidianana, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy maintsy tonga eny anivon'ny Fokontany rehetra manerana ny nosy anio farafahatarany, ireo taratasin-datsa-bato rehetra ilaina eny anivon'ny Biraom-pifidianana... ♦ Ho hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana manerana ny nosy rahampitso, andron'ny fifidianana. Efa vonona amin'ny fidirana an-tsehatra amin'ny fandaminana rehetra ireo mpitandro ny filaminana, raha misy ny ilana izany...
♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho Filoham-pirenena, ny Malagasy feno taona rahampitso, araka ny voalazan'ny lalàna manan-kery. Voararan'ny lalàna ny finiavana hanakorontana mandritra ny fotoam-pifidianana, hoy ny Tonia Mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona... ♦ Tombanana hiverina hianatra ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, tsy mbola nianatra noho ny fitokonan'ny SECES, ny alatsinainy ho avy izao, hoy ny tompon'andraikitra. Nidina an-dalambe nandoro kodiarana omaly, ny ampahany amin'ny mpianatra...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco