♦ Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan'ny Kristiana ny fanendren'ny Papa François an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Eveka vaovao hitantana ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Nanolotra fanampiana samihafa ho an'ireo tovolahy mpiofana ao amin'ny seminera Prôpedetika Amboara Ambohidratrimo ny "VKM" Vehivavy Misiônera Katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niavaka sy nakotroka ny fankalazana ny famaranana ny taona sy ny taom-baovao Malagasy tamin'ity taona ity. Loha-hevitra nampisalorana izany ny hoe "fifamelana fiombonana, firindrana"... ♦ Tafakatra 31.045 ireo teratany Gazaoui namoy ny ainy vokatry ny ady eo amin'ny Hamas sy ny Tafika Israeliana, raha ny tatitry ny Hamas...
♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...
♦ Nanetriketrika ny fankalazana ny 8 marsa nanerana ny nosy omaly. Samy nanana ny endriky ny fanamarihana ny toerana samihafa, ankoatra ny hetsika ôfisialy tany Toamasina, notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Mbola vitsy ireo vehivavy sahy misehatra eo amin'ny resaka pôlitika eto Madagasikara. Vehivavy mpanao pôlitika iray no hitondra ny heviny momba ireo sakana ho azy ireo, amin'ny sehatry ny pôlitika... ♦ Nampiakarin'ireo any ifotony ny vidin'ny volamena. Nitaraina ireo mpandraharaha 6 nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa maty antoka izy ireo, vokatr'izany fanararaotana izany... ♦ Mpianatra hatrany amin'ny 300 isa no nisy naka an-keriny tany avaratra-andrefan'i Nigéria...
♦ Ny ady ho amin'ny fitovian-jo sy fampanajana ny zon'ny vehivavy, no mbola takiana ho antsika eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, Mialy Rajoelina, tany Toamasina... ♦ Mitaraina ireo mpandraharaha enina nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa nampakarin'ireo mpitrandraka any ifotony ny vidin'ny volamena... ♦ Nanjaka ny asan-dahalo tao amin'ny Fokontany Rangaina, Kaominina Fiaferana, Distrikan'Avaradrano. Nahazo “Poste fixe” ho an'ny zandary ity Fokontany ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco