♦ Efa nivoaka an-dranomasina tany avaratr'i Toliara omaly sahabo tamin'ny 7 ora hariva ny rivodoza Batsirai. Mbola namela sisan-drahona mitondra rotsak'orana hatramin'izao... ♦ Nandravarava izay nolalovany, ary nametraka takaitra mafy teto Madagasikara ny rivodoza Batsirai. Olona 10 no namoy ny ainy, ankoatra ireo faharavàna samihafa... ♦ Namoaka hafatra fankaherezana sy fiombonana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina ny fivondronamben'ny Eveka...

♦ Hiditra an-tanety anio takariva, eo anelanelan'i Mahanoro sy Mananjary, ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 302 km, atsinanana somary avatra atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo... ♦ Mijery ny fomba rehetra hiahiana ireo mponina any amin'ny Faritra Vatovavy sy any Fitovinany ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miato avokoa ny asa fitaterana, zotra rezionaly sy nasionaly rehetra, nanomboka omaly, hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana, ho fiarovana ny ain'ny mpandeha amin'izao fiavian'ny rivodoza izao...

♦ Manatona hatrany ny morontsiraka atsinanan'ny nosy ilay rivodoza Batsirai. Tany amin'ny 514 km atsinanan'i Vatomnadry no nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teno... ♦ Miantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanampy ary haneho ny tena maha kristianina ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, manaoloana ny ho fahatongavan'ny rivodoza eto amintsika... ♦ Vonona hanampy sy hanavotra ny mpiray tanindrazana ny miaramila, hoy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...

♦ Tany amin'ny 600 km atsinanan'i Vatomandry no nisy foiben'ilay rivodoza Batsirai ny hariva teo. Efa manomboka hita taratra amin'ny tapany atsinanana ny rahona mialoha azy, ary hanomboka hikorontana ny toetry ny andro rahampitso... ♦ Miantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanampy ary haneho ny tena maha kristianina ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, manoloana ny fandalovan'ny rivodoza... ♦ Vonona hanampy sy hanaovtra ny mpiray tanindrazana ny miaramila, hoy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...