♦ Ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toamasina sy i Vohipeno, amin'ny talata 22 febroary izao ny rivodoza mahery vaika Emnati... ♦ Hivoaka anio kosa ny fehin-kevitra tinapaky ny Vondrona Eoraopeanina sy ny Vondrona Afrikanina, mikasika ny vinam-piaraha-miasan'ny vondrona roa tonta, Taona 2030... ♦ Aleo hisokatra ny fanadihadiana momba ny raharaha hanenjehana ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiki Herilaza, ka tokony ho rafi-panjakana mahefa no hanao izany, raha ny fanehoan-kevitry ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara...

♦ Hiroso amin'ny fivoriam-be anio, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara, na ny SMM... ♦ Mitaky fikaonan-doham-pirenena handraisan'ny herivelona rehetra eto amin'ny firenena anjara ny RMDM, manoloana ireo olana miseho lany eto amin'ny firenena... ♦ Miisa fito ireo olona, efa voasambotry ny zandary, izay voarohirohy tamin'ny fakana an-keriny zanaka karana teny Ambohimanarina...

♦ Mitaky fikaonan-doham-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra, manoloana ny raharaharam-pirenena ankehitriny. Mila sorohana sy hitadiavam-bahaolana ireo olana marolafy eto amin'ny firenena, hoy ny RMDM... ♦ Olona fito no efa tratra tamin'ilay raharaha fakana an-keriny, zaza 3 taona, teny Anosivavaka Ambohimanarina ny alatsinainy 7 febroary teo... ♦ Novatsian'ny SOS Village d'Enfants, vola 5 hetsy sy 117 tapitrisa ireo ivotoerana enina fitaizana ankizy, any amin'ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Simba avokoa ny fotodrafitr'asan'ireo ivotoerana ireo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai...

♦ Mitohy ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy ataon'ny Ceni, anatin'ny fanaraha-maso izany izy ireo ankehitriny... ♦ Nivadika rivodoza, androany maraina, ilay andro ratsy tao amin'ny ranomasimbe indiana. Mahatratra 85 km/ora ny rivotra miaraka amin'i Emnati, arahana tafiotra 120 km/ora... ♦ Dibo-drano ny tanànan'i Toamasina-I sy Toamasina-II noho ny rotsak'orana netin'ilay rivodoza Dumako nandalo omaly, 2500 isa ny olona traboina araka ny tatitra vonjy maika...

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...