♦ Nivoaka an-dranomasina alina ilay rivodoza Emnati. Maherin'ny 44 000 ny isan'ny traboina noraisina an-tanana teny amin'ny toby... ♦ Noraisin'ny filohan'y repoblika teny Iavoloha omaly ny talen'ny fandraharahana ao amin'ny Banky iraisam-pirenena misahana an'i Madagasikara sy Comores, Mozambika... ♦ Hifarana anio ny atrik'asa fampiofanana ireo tompon'andraikitra amin'ny sehatry ny fanofanana sy fampananana asa iandraiketan'ny Saleziana Don Bosco...
♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina mialoha ny amin'ny 8 ora alina izao ilay rivodoza Emnati. Nihena ny heriny, ary tany amin'ny Distrikan'i Beroroha izy tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo... ♦ Vitsy ireo mpianatra afaka bakalorea no vonona handray anjara amin'ny fidirana ho taona voalohany ao amin'ny FLSH, eny Ankatso... ♦ Mitaky fifonana ampahibemaso avy amin'ny Solombavam-bahoaka Andry Ratsivahiny, ny Fivondronamben'ny Mpampianatra Fanatanjahan-tena...
♦ Hanohy ny diany hamakivaky ny Faritra Anosy ny rivodoza Emnati, ary tombanana hivoaka an-dranomasina any amin'ny Faritra Androy amin'ny fiafaran'ny tolak'andro... ♦ Fahapotehana mihoampmpana indray no nisy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany noho ny rivodoza Emnati, raha mbola tsy niarina akory ny fahavoazana tamin'ny rivodoza Batsirai ♦ Ambony be ny fandraisan'anjaran'ny banky iraisam-pirenena amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ankehitriny, raha ny zava-misy hatrizay hoy ny praiministra Ntsay Christian...
♦ Niditra an-tanety ny rivodoza Emnati. Tany amin'ny distrikan'i Vondrozo no nisy ny ivony tamin'ny 6ora maraina teo... ♦ Manentana ny rehetra hiombom-po sy hiray saina, ny filoha lefitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fulgence Rabemahafaly mba tsy hisian'ny fanararaotana amin'izao rivodoza izao... ♦ Trano 97 no indray nodoran'ny dahalo tany amin'ny tanàna Mahasoa, kaominina Tsivory, Amboasary-atsimo, olona 350 no tsy manan-kialofana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco