Zoma 7 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17
♦ Nitondra fanazavana androany ireo tompon'andraikitra, manoloana ny fisian'ny mpandeha avy any ivelany indray, tonga tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Niteraka resabe fanindroany moa ity tranga ity amin'izao... ♦ Niakatra indray ny isan'ireo olona voamarina ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eto Madagasikara. Tranga vaovao 221 no hita tamin'ireo fitiliana. Niampy dimy ireo matin'ity aretina ity raha ny tarehimarika androany...
♦ Mitsinjo ireo mpanjono misedra olana noho ny valanaretina Covid-19 ny fitondram-panjakana. Tsy mandoa tataon-ketra ireo mpanjono lamatra madinika, aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra natao omaly... ♦ Nidera sy nankasitraka ny fihetsiky ny mponina tany Mahajanga, ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Boeny, noho ny ezaka natao niadiana tamin'ny Coronavirus...
Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco