♦ Mametram-panontaniana ny DINEC foibem-pitondrana nasiônalin'ny fampianarana katolika hoe : Tena voka-panadinana tena izy ve no nivoaka tamin'ny fanadinam-panjakàna tamin'ny taom-pianarana 2024-2025 teo... ♦ Tokony araraotina ny maha-filoha mpitarika an'i Madagasikara ny vondrona SADC, mba ahafantsika manondrana vokatra any amin'ity vondrona ity hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana...♦ Seranantsambo maromaro eto Madagasikara no hitarina sy asiam-panavaozana, tanjona ny hampitomboana ny entana kirakiraina ao amin'ny seranana rehetra eto Madagasikara...
♦ Notafihan'ny dahalo mitam-piadiana ny sabotsy teo tao amin'ny Fokontany Saririaky, Kaominina Ankilimalinike, Distrikan'i Toliara-II, dahalo iray no maty, ary zandary iray naratra vokatr'izany. Nitsipaka izany ny fikambanana Mazoto ka nilaza fa tsy dahalo io voatifitra io fa olona niaro ny taniny... ♦ Nitombo avo efatra heny ny vokatra trondro tilapia sy carpe eto Madagasikara ankehitriny, raha oharina tamin'ny efa-taona lasa... ♦ Nanolotra soso-kevitra ho an'ny CENI mba hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Hampiantrano ny fivorian'ireo Firenena Arabo androany ny any Qatar, mikasika ny raharaha ao Proche-Orient...
Tsapa tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay, fa nihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby lavareny na delestazy tao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tapaka hatramin’ny ora maromaro mihitsy, ary miverina indroa na intelo izany ao anatin’ny andro iray.
Ao anatin'ny sarotra dia manokatra lalana ho antsika olombelona foana Andriamanitra ; porofon'izany ny naharendrika sy nahafaty ny tafik'i Faraôna, nanokatra ny ranomasina nizara ho roa Andriamanitra ary afaka nandia tany maina y vahoakan'Israely. Miditra amin'ny tantaran'olombelona mpifahavalo Andriamanitra, mandresy ny fahotana. Nijanona tao Sinaia nandritra ny 2 taona ny Israeliana, izay zary ho vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco