Alarobia 13 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

♦ Olona 06 vaovao indray no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Nitsena mivantana ireo CVO nomen'ny fitondram-panjakana malagasy azy androany ny Filoha Kaomôriana... ♦ Tosika Fameno : Saika filaharam-be hatrany no hita amin'ireo paositra sy banky natokana hakana azy...

♦ Hifanatrika mivantana amin'ny Solombavambahoaka anio tolak'andro ireo mpikambana sasany ao amin'ny Governemanta... ♦ Manamafy ny fitakiany hisian'ny tena mangarahara amin'ny fomba fampiasana ny teti-bola iadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika ny fikambanana maro anatin'ny firaisa-monim-pirenena... ♦ Misy amin'ireo mpitatitra no mitsipaka marin-drano ny hiantohany ilay "gel désinfectant" ...

 Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...