Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.
Ny vitiligo dia ny "dermatologue" no tena mahafehy ny fitsaboina azy. Ny 2% amin'ny olona maneran-tany no tratran'ity aretina ity. Ny "vitiligo" dia toe-koditra miseho, mipentina fotsy vokatry ny fahasimban'ny sela "mélanocyte" izay singa mandoko ny hoditra, ity aretina ity dia tsy mifindra. Ny fomba fitsehony : misy faritra mihamazava ny hoditra ary somary mangididy. Ny karazan'ny vitiligo : actif, stable, segmantaire... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco