Ny reny dia loharanom-panantenana, loharanom-pitiavana, loharanom-pahatsorana. Ny Reny no mamindra ny aina ho an'ny zanaka, avy amin'Andriamanitra. Tandindonin-doza hatrany anefa ny aina, ary ny fototry ny ady matetika dia fiarovana ny "aina", ny aina dia fitiavana. Ny fanabeazana atao eny anivon'ny ankohonana dia ipoiran'ny fanantenana, izay ny reny no tena miandraikitra azy. Ny vehivavy ela velona noho ny lehilahy, taratry ny fanantenana. Ny reny dia manana fahatsorana izay mampilamina ny ankohonany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Rehefa mangatsiaka ny andro dia maro ny zavatra mikorontana ao amin'ny vatan'ny olombelona sy ny tontolo manodidina. Rehefa anatin'ny hatsiaka be dia mikainkona ny lalan-dra io ilay hatao hoe "vasoconstriction" ; ny faharoa miakatra ny tahan'ny "Cholesterol" sy ny "fibrinogène"; ny fahatelo dia lasa marihitra ny ra ; mihena ny rano mpanamora ny fihetsehan'ny vanin-taolana "liquide synovial" ; malaina daholo ny taova. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Nahazo tohana ara-pitaovana ampiroboroboana ny fiompiana sy ny famokarana tantely ao aminy ireo tantsaha nisitraka fiofanana ao amin'ny Fikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI ao amin'ny Kaominina Mahintsy sy ny Soa Mitsinjo ao amin'ny Kaominina Antanetibe-Mahazaza ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo...
Ny fadim-bolana dia toe-javatra iray iainan'ny vehivavy ary tafiditra ao anatin'ny fitombony ara-boajanahary. Raha atao ny kajy dia 7 taona no fitambaran'ny andro hisian'ny fadim-bolana, ao anatin'ny fiainany ny vehivavy iray. Maro ny hevi-dso sy finoanoam-poana ary tsy fahalalana manodidina izany hany ka mahaonga fanavakavahana sy fanilikilihana azy ireo, ka miteraka ny fanitsakitsahana ny maha-olona. Koa ilaina noho izany ny fampahafantarana sy ny fanabeazana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco