Ny fandaharana E.V.A dia mampiombona, mandamina fiainana hitarika mankany amin'ny tontolo marina, mahitsy mba hitondra afon'ny fanantenana, na dia eo aza ireo zava-tsarotra sy manahirana rehetra. Efa tamin'ny taona 1300 no nankalazana ny taon-jôbily nandraisana ny famindra-pon'Andriamanitra, ary amin'ny taona 2025 dia natao hoe taonan'ny finoana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...