Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny fitiavana dia manentana sy fototra iorenan'ny repoblikan'i Madagasikara ankehitriny, porofon'izany ny fahitana io teny io amin'ny taratasy ampiasaina amin'ny sampandraharaham-panjakàna rehetra " Fitiavana - Tanindrazana - Fandrosoana " Raha tena hiainana sy hampanjakàna ny "fitiavana" dia azo antoka fa handroso tokoa i Madagasikara ; ny fitiavan-tanindrazana mitondra amin'ny fandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
I Masina Maria dia nanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, izy dia vehivavy virijiny nanaiky ny hafatr'Andriamanitra, ilay Eva vaovao. Miasa Andriamanitra ary mandamina ny zavaboahary ; tsy kisendrasendra ny fiainana eto an-tany fa misy Andriamanitra mitantana. Môdely ho antsika amin'ny finoana i Masina Maria, manana finoana mihalavorary hatrany, mihamatotra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco