Ny fitoriana ny Fanjakàn'Andriamanitra amin'ny vahoaka nataon'i Jesoa dia tohizan'ny relijiozy amin'ireo manodidina azy. Tahaka izany koa ny fanasitranana ny marary. Tsy zovina amintsika ny fisian'ireo toeram-pitsaboana sy fikarakarana marary sahanin'ireo relijiozy sasany. Ny fitaomana ny olona hibebaka ka hanaovany soa, tahaka ny nataon'i Jesoa no isan'ny anjara adidin'ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Ny relijiozy dia maneho marina an'i Kristy. Ny fiainan'ny relijiozy dia fanahafana tanteraka an'i Jesoa Kristy Tompoo, ilay nadio sy nahantra ary nanetry tena. Ny vavaka isanandro ataon'ny relijiozy hanamafisany ny fifandraisany amin'Andriamanitra dia fanehoana ny vavak'i Kristy tany an-tendrombohitra. Ny relijiozy dia antsoina ho tia an'Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Fahefan'ny Fiangonana ny fankatoavana sy ny fampijoroana ny fitsipiky ny fikambanan-drelijiozy. Tsy mijanona hatreo amin'izay fotsiny anefa fa mbola zava-dehibe ihany koa, amin'ny fampiasana ny fahefana napetrak'Andriamanitra amin'ny Fiangonana, ny fandraisany ny voady ampahibemaso ataon'ireo relijiozy mandritra ny fankalazana ny Eokaristia. Toetra natokana ho an'Andriamanitra ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco