Andriamanitra Trinite Masina, Andriamanitra Tokana Olona Telo no loharano ipoiran'ny fahamasinana ; noho izany dia hitombo voninahitra hatrany ilay Trinite Masina tokona tsy azo sarahana ipoiran'ny fahamasinana rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy. Antso sy andraikitry ny Kristianina vita Batemy rehetra ny ho mpitory ny Vaovao Mahafaly manerana an'izao tontolo izao... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Alahady faha-17 mandavantaona — D — Alahady 27 jolay 2025 : Izay mivavaka tsara, mivavaka amim-pitokiana sy faharetana ; Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Andriamanitra ao amin’ny toerany masina ; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Tsy natao hampahalalana an'Andriamanitra izay tokony hataony ny vavaka fa mba hahaizan'ny olombelona mijoro amin'ny maha-olombelona azy ; ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra, resaka vokatry ny fo, fitiavana. Ny fivavahana madio dia ny mpanampy ny kamboty sy ny mpitondra tena, ary ny miaro tena tsy ho latsaka amin'ny fahotana...
Ny fiainan'ny relijiozy dia antso sy fanompoana mandra-maty ; rehefa manonona ny voady ampahibemaso ny relijiozy dia mitalaho amin'Andriamanitra sy ireo Olomasina ary ny rahalahy na rahavavy iray fikambanana aminy mba hanampy azy tsy hivadihany amin'ny teny nomeny. Tsy afa-misaraka ny Fiangonana sy ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, isan'ireny ny relijiozy... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Mety hisy fiheverana tokoa ary maro mihitsy aza no manontany hoe tsy afaka miaina amin'ny tena maha-olona azy ny relijiozy. Tsy misakana velively ny fivelaran'ny maha-olona ny fanarahana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, fa vao mainka azy tena mahasoa azy, na dia eo aza ny famoizana ireo haren'ny tany. Ny fandraisana ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly dia manadio ny fo... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco