Miezaka mandrakariva ny hampivelatra ny fisiany sy ny fiainany ary manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra mikasika antsika olombelona ny Fiangonana. Amin'izao andro izao, ampian'ny siansa sy ny teknôlôjia dia hita fa niha niitatra ny fahefan'ny olona manoloana ny zava-boahary ary tsy mitsaha-mitombo izany. Ny Fiangonana dia mpiaro sy mpitahiry ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
Ilay Teny Tonga Nofo no mampiray ny ololmbelona, tamin'ny ohatra nomeny. Tsy niolonolona fa niray petsapetsa tamin'ny olona rehetra afa-tsy tamin'ny fahotàna. Nanamasina ny fiainam-pianakaviana sy fikambanana izy, tamin'ny fampianarany hifampitondra toy ny mpirahalahy, tamin'ny fivavahana nataony (Mba ho iray anie izy rehetra), Didy nomeny ny ha-fianakavian'Andriamanitra ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Adidy tsy maintsy atao ny fanabeazana ny tanora ho afaka hananany fahamatorana. Misy zavatra roa mety hanimba ny fiainan'ny olona tsy ho afaka hisafidy ny tsara ary adidy ny miady amin'izany dia : ny fahantrana lalina ary ny famitahana ny tanora amin'ny fampiahantàna azy be loatra. Ny Fanjakàna sy ny fikambanana isan-karazany no filamatra amin'ny fampivoarana ny Tanora... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco