Alahady faha-2 mandavantaona — A — I Kristy no zanak’Andriamanitra velona : Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Tsy misy ny tena fahalalana an'i Kristy raha tsy misy ny Fanahy Masina, ity farany no tetezana mamifandray antsika olombelona amin'i Jesoa. Ny nanaovan'i Jesoa sorona ny tenany dia ny nanafahany nanala ny fahotan'izao tontolo izao, ary manongana ny fahefan'ny fahotana mihitsy...

Ny teny hoe Komonio dia avy amin'ny teny grika hoe "communio" izay midika amin'ny teny frantsay "qui appartient à plusieur" izany hoe an'ny besinimaro, natao handraisana ny Vatan'i Kristy araka ny antso nataony hoe "Raiso ary hano" ; ny fandraisana azy dia maneho fiombonana lalina amin'Andriamanitra. Ny mety miova amin'ny firafitr'ny litorjia dia ny amin'ny Alakamisy Masina... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Aorian'ny fihobiana dia manohy ireo vavaka fanamafisana ny fahatsiarovana an'i Kristy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra ny Pretra mpitarika arahan'ireo vavaka maro mampifandray ny olona rehetra dia : ny Eglizy, ny velona rehetra ary ny maty. Misongadina eto ny vavaka fiombonan'ireo rehetra mivavaka eo ary vavaka ho an'ny velona araka ny fangatahan'ny tsirairay... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Fihobiana no handikàna ny "anamnèse" amin'ny teny frantsay ka mety hieritreritra isika hoe misy fihobiana firy zany amin'ny lamesa fa ity dia fihobiana an'i Jesoa nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra. Tsy rehefa hira miendrika fihobiana dia mety fa tokony ahitana foana ilay "Jesoa nijaly, maty, nitsangan-ko velona ary ho avy am-boninahitra... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...