Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
Mahafinaritra rehetra tanteraka ny fiombonana sy ny firaisan-kina ary io no isany mampiavaka ny soatoavina Malagasy. Misy lanjany ny Fanjakàna Malagasy, miavaka isika amin'ny fiarovana ny aina, fitandroana ny fihavanana sy ny fiarovanana ny tontolo iainana. Ny fiombonana no sori-dalana efa hitanan'ireo mpanjaka nitondra amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fanjakàna ka tokony mbola himasoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...
Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco