Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Tanan'ny Eglizy Reny Masina ho zava-masina, ho fitsipika noraisina avy amin'ny finoan'ny Apôstôly ireo boky tsy misy nahabangàna ao amin'ny Testamenta na ny Tranainy na ny Vaovao miaraka amin'ireo fitsinjarazarana ao aminy. Andriamanitra no mpamorona azy noho ireo boky ireo voasoratra avy amin'ny fanilovan'ny Fanahy Masina, ary nolovain'ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Ao anatin'ny sarotra dia manokatra lalana ho antsika olombelona foana Andriamanitra ; porofon'izany ny naharendrika sy nahafaty ny tafik'i Faraôna, nanokatra ny ranomasina nizara ho roa Andriamanitra ary afaka nandia tany maina y vahoakan'Israely. Miditra amin'ny tantaran'olombelona mpifahavalo Andriamanitra, mandresy ny fahotana. Nijanona tao Sinaia nandritra ny 2 taona ny Israeliana, izay zary ho vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alahady 14 septambra 2025 : Fankalazana ny nanandratana ny hazofijaliana ; Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao. Miandry ny fibebahan'ny olombelona, marina ihany koa Andriamanitra, na inona na inona kilemantsika sy ny fahotana vitantsika. Mitsinjo sy miandry antsika amim-paharetana Andriamanitra, ary noho ny hamoram-pony sy ny fitiavany dia tsy afaka ny tsy handray antsika Izy. Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny olona tsirairay, misokatra foana ny lalana miverina ao aminy handray antsika...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...