Misy dikany sy lanjany ny fanadinana hatao eo anivon'ny sekoly katôlika satria ny fanabeazana eo anivon'ny Eglizy katôlika no mari-drefy mpandrefesana (Baromètre) ho an'i Afrika, hoy ny eo anivon'ny Firenena Mikambana.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina. Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao, Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.

Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny!

Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!

Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely - toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady!

Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!

Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody:
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana:
Ankizilahy sy ankizivavy, amin'ny tena fisandratana,
Miova tsy mpivady amin'izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombantombany.

Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika!

Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao
Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...