Alakamisy 5 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52
Ny fahafahana dia taratr'ilay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fahafahana akory tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-dohan'ny olona amin'Andriamanitra, noho izy arin-tanany ; azo heverina ihany koa fa ny fahafahan'ny zanaka dia tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-doha eo amin'ny ray aman-dreny niandohany. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco