Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Izaho no mofon’ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay. Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.

Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

[Miara-dàlana] Zoma 13 novambra 2026

• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...