Tsy voaary natao hitoka-monina ny olombelona fa lalim-paka ao amin'ny toetra nahariana azy sy ny fifandraisana amin'ny hafa, ary tsy afaka hiaina sy hivelatra araka ny maha izy azy izy raha tsy mifandray amin'ny hafa. Tsy ny olombelona tsirairay ihany no endrik'Andriamanitra fa ny fiombonana ihany koa. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 28 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36

Endrik'Andriamanitra ny olombelona, noho izany dia tsy zavatra fotsiny isika fa olona. Ny mampiavaka ny olona : afaka mahalala tena, mijoro ho tompon'ny tenany, manolo-tena sy miombona amin'ny hafa an-tsitrapo. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 27 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...