Ny Jenezy dia mampiseho antsika ny toetr'olombelona manana fahatokiana tsy manam-petra an'Andriamanitra. I Abrahama, be fitiavana no nahatoky voalohany. Resy lahatra izy fa afaka manolotra vehivavy sahaza ho an'ny zanany Andriamanitra. Tsy ara-nofo fotsiny ny maniry hanana tokan-trano fa mila mahatoky an'Andriamanitra.  Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

20 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)

Ny fisafidianana vady? sahirana ny tanora, maro ireo olona hisafidianana. Ohatra fanta-daza ny ao amin'ny Jenezy 24 : Nanomboka tamin'i Abrahama, rain'i Isaaka, izay nitady vady ho an'ny zanany. Tsy maintsy tanterahina ve io tolo-kevitra aroso ao amin'ny Jenezy 24 io izany hoe ny ray no misafidy izay ho vadin' ny zanany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

19 aprily 2024 — Zoma, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...