18 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)

Rehefa vita ny resak’i Jesoa sy i Piera, dia mitodika any amin’ny ilay mpianatra malalan’ny Tompo ny voatoatin’ity Evanjely ity. Satria mifarana eto ny Evanjelin’i Masindahy Joany, ka izany no hifantohan’ny resaka any amin’ny ilay mpanoratra. Ny mpanoratra dia i Joany ilay mpianatra malalan’ny Tompo ; ka ity andininy farany ity izany no sonian’ny mpanoratra ity Evanjely ity, izay ambarany amin’ny hoe : “Izy no ilay mpianatra nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filàzany”. Marina ny filazany satria nahita maso ny Tompo niaraka tamin-dry Piera izy ; ka zavatra tena izy no nampitainy tamintsika. Ity mpianatra ity dia tsy hoe tsy ho faty tsy akory. Tsia ! Fa maty toy ny olon-drehetra izy. Fa ny tian’i Jesoa tenenina dia hoe mampaninona anao raha tiako hitoetra tsy haninona izy. Izany hoe tsy hovonoin-ko faty martiry tahaka an’i Piera mandra-pakan’i Jesoa azy, mandra-pahafatiny. Ary tanteraka taminy tokoa moa izany satria i Joany irery no Apôstôly tsy maty martiry.

Ka eto no mampiavaka ny Evanjelin’i Masindahy Joany, izay hilazàny fa maro ny zavatra nataon’i Jesoa fa tsy nosoratana daholo satria tsy omby boky raha nosoratana. Inona ny antony ? Ny antony dia satria tsy tantara fe tantara fotsiny akory no nosoratan’ity mpianatra malalany ity fa manazava ny hevitry ny tantara izy. Tantara izay sady idiran’Andriamanitra no idiran’olombelona, tantara kanefa koa teôlôjika ary tantara mitandavana ao anatin’ny fotoana mandalo kanefa miditra lalina ao anatin’ny fiainana mandrakizay. Ka ny tanjon’ity mpanoratra ity dia ny hitantara amintsika araka ny tokony ho izy ny momba an’i Jesoa ; mba hinoan’ny olona fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra, ka hahazoan’izay mino Azy ny fiainana mandrakizay amin’ny Anarany (Jn 20, 31).

Satria tranga goavana ara-panahy tanteraka teto amin’izao tontolo izao ny fahatongavan’i Jesoa : teny tonga nofo ho famonjena antsika. Araka izany, dia izay sehon-javatra navesa-danja ihany, afaka mampitombo ny finoantsika sy mitondra antsika any amin’ny fiainam-baovao no nofidiny manokana hampitaina amintsika. Izay no nilazany hoe : “Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, fa tsy voasoratra amin’ity boky ity, satria raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy omby ny boky hosoratana. Fa voasoratra ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra”.

Koa mazotoa àry isika mandalina ity Evanjely ity mba ho lalim-pinoana toa an’i Masindahy Joany.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...