19 mey 2024 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26-27 ; 16, 12-15)

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo,
Izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray,
dia Izy no hanambara Ahy.
Ary ianareo koa hanambara,
satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo...
Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho,
nefa tsy zakanareo ankehitriny;
fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana,
dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,
satria tsy hiteny ho Azy Izy,
fa izay rehetra ho reny no holazainy,
ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Hanome voninahitra Ahy Izy,
satria handray ny avy amiko,
ka hanambara izany aminareo.
Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko;
ka izany no nanaovako hoe:
Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo.
Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo;
ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo,
satria mankany amin’ny Ray Aho.”

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...