Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 12-17)

Fanahim-pananganan-janaka no noraisinareo, ka iantsoantsika hoe Abà! Ray!

Ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo,
dia ho velona ianareo;
satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo,
ka hatahotra indray ianareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny tenan’io Fanahy io ihany
no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika
fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny, sady mpandova an’Andriamanitra
no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy anefa isika,
mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21

Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika.

Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby.

Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.

Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)

Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata,
ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony
hatramin’ny valo ambin’ny folo taona,
ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy
ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, afaka ny aretinao.”

Dia nametrahany tanana izy,
ka nitraka niaraka tamin’izay,
sy nankalaza an’Andriamanitra.
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga
noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata,
ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Henemana no andro azo iasana
ka tongava hositranina amin’ireo ianareo,
fa aza amin’ny andro Sabata.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany
hiala amin’ny tranony avy ianareo,
ka mitondra azy hisotro rano
na dia Sabata aza ny andro?
Ary itý zanakavavin’i Abrahama
izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve
tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany
amin’ny andro Sabata?”

Tamin’izy niteny izany,
izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana,
fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly
noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)

Raha manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny madinika ianareo, dia hirehitra aminareo ny fahatezerako.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab

Tiako Ianao, ry Tompo fa heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.

Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!

Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)

Efa niala tamin’ny sampy ianareo, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiandry ny Zanany.

Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Roma (Rom. 8, 1-11)

Ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa no mitoetra ao aminareo.

Ry kristianina havana,
tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa,
sady tsy mandeha ara-nofo;
fa ny lalàn’ny Fanahin’aina no nanafaka ahy
tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana,
tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna
noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo,
dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany
tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana,
ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika,
izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy.
Fa izay ara-nofo dia mankafý ny zavatry ny nofo
ary izay ara-panahy dia mankafý ny zava-panahy.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana,
fa ny fitiavan’ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra,
fa tsy manaiky ny Lalàn’Andriamanitra izy,
sady tsy hainy aza izany.
Koa izay ao amin’ny nofo
dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo,
fa ao amin’ny fanahy,
raha mitoetra ao aminareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy,
dia tsy Azy izy;
fa raha ao anatinareo i Kristy,
na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana,
dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa
no mitoetra ao anatinareo,
dia izay nanangana an’i Kristy koa no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao, ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa
ny nanjò ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:

“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota noho ny Galileanina rehetra
matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo
maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”.

Dia nanao itý fanoharana itý Izy:

“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy
nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:

‘Indro efa telo taona izay
no tonga mitady voa amin’itý aviavy itý aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io,
fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’

Ary hoy ny mpiasa namaly azy:

‘Aoka re ho eo ihany izy amin’itý taona itý, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy,
fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy’.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 7, 18-25a)

Iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?

Ry kristianina havana,
fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara,
izany hoe tsy ato amin’ny nofoko;
ny fikasana fotsiny no ato amiko,
fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko,
fa ny ratsy izay tsy tiako;
ka rahefa tsy ny tiako no ataoko,
dia tsy izaho intsony no manao izany,
fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko:
nony te-hanao ny tsara aho,
dia ny ratsy no indro misosoka.
Satria amin’ny olona ao anaty aho,
dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako
sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy
amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
Indrisy! olo-mahantra aho;
iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?
Hisaorana anie Andriamanitra,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94

Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana:
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny fitsipikao!

Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy:
satria ny Lalànao no firavoako!

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao,
izay amelombelomanao ahy!
Vonjeo aho fa Anao,
sady mikatsaka ny lahatrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:

‘Ho avy ny orana’,

ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:

‘Hafana ny andro’,

ka tonga tokoa izany.

Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao
hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy
raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao
ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao
ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...