Vakiteny voalohany

Bokin’i Nehemia (Nehem. 8, 1-4a. 5-6. 7b-12)

Nosokafan’i Esdrasa ny Bokin’ny lalàna, dia nitso-drano ny vahoaka izy, ary ny vahoaka rehetra kosa namaly hoe: Amen! Amen!

Nony tonga ny volana fahafito,
ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely,
dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano.
Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna,
mba hitondra ny Bokin’ny lalàn’i Môizy,
izay nandidian’ny Tompo an’i Israely.
Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna,
ho eo anatrehan’ny fiangonana,
dia ny lehilahy sy vehivavy mbamin’izay rehetra manan-tsaina hahafantatra azy;
andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.
Novakìny teo anatrehan’ny lehilahy sy vehivavy
mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny Boky,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano,
hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro,
ary nampandry sofina nihaino ny Bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.
Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany,
no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna.
Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny Boky,
fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy,
ary rahefa nosokafany, dia nitsangana ny vahoaka rehetra.
Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa,
dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe:

“Amen! Amen!”

Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
Ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.

Novakìny mazava ny Boky,
dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny;
ka azo tsara ny teny novakìna.
Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa, mbamin’ny levita,
nampianatra ny vahoaka,
niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

“Andro masina ho an’ny Tompo Andriamanitrareo itý
ka aza asiana fisaonana na ranomaso.”

Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo:

“Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy,
ary anatero anjara izay tsy nahavoatra,
fa masina itý andro itý ho an’ny Tompontsika;
ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo.”

Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe:

“Mangina ianareo fa masina itý andro itý ka aza malahelo.”

Dia samy nandeha nihinana sy hisotro
ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra,
ka nanao fifaliana lehibe.
Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny toho-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

Ho amin’ny zanaky ny fiadanana ny fiadanana lazainareo.

Tamin’izany andro izany,
dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:

‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;

ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:

‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’

Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa
nefa tsy mandray anareo ny olona,
dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:

‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza
dia ahintsanay hiampanga anareo;
fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’

Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay,
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma
noho ny ho amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Nehemia (Nehem. 2, 1-8)

Raha mba nahita fitia teo anatrehan’ny Mpanjaka aho dia mba alefaso any an-tanindrazako hanamboarako azy.

Tamin’ny volana Nisàna,
taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka,
raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay,
dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka,
ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany.
Ka hoy ny mpanjaka tamiko:

“Nahoana itý ianao no malahelo tarehy,
kanefa tsy marary tsinona?
Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!”

Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe:

“Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka!
Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy,
kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava
ary ny vavahadiny levon’ny afo?”

Dia hoy ny mpanjaka tamiko:

“Inona no tianao hangatahina amiko?”

Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho,
dia namaly ny mpanjaka hoe:

“Raha sitraky ny mpanjaka
ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony
dia alefaso aho ho any Jodà,
any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako
mba hanamboarako azy indray.”

Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay,
ary hoy ny mpanjaka tamiko:

“Haharitra ohatrinona ny dianao,
ary rahoviana no hiverina ianao?”

Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,
ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka:

“Raha sitraky ny mpanjaka,
aoka homena taratasy aho,
ho an’ny governora any an-dafin’ny ony,
mba hamelany ahy handeha,
mandra-pahatongako any Jodà,
ary taratasy anankiray koa
ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka,
mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby
hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly
sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna,
mbamin’ny trano hihatahako.”

Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,
fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho!

Teo amoron’ny onin’i Babela,
nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.

Dia avy ny mpamabo
nangataka hira,
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana:
“Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!”

Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako.

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)

Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.

Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Hanaraka Anao aho,
na aiza na aiza halehanao.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboadia manan-davaka,
ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:

“Manaraha ahy.”

Dia izao no navalin’io:

“Aoka aloha, Tompoko,
handevina ny raiko aho.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:

“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 20-23)

Vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema, hitady ny Tompo.

Izao no tenin’ny Tompo Nahary:
Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina
avy amin’ny tanàn-dehibe maro.
Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe:

“Andao re isika hifona amin’ny Tompo hitady azy Tompo Nahary.
Fa izaho koa handeha ho any!”

Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema,
hitady ny Tompon’ny hery rehetra,
sy hifona eo anatrehany.

Ary izao no tenin’ny Tompo Nahary:
amin’izany andro izany,
dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra samihafa fiteny,
hihazona mafy ny sisin-damban’ny Jody anankiray, hilaza aminy hoe:

“Izahay te-hiara-dia aminareo;
satria efa renay fa miaraka aminareo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra.

Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina
no naorin’ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao.
Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny
fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.

I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo,
ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa.
Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao!
I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!

Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao!
Hosoratany anatin’ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao.
Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa!
Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)

Olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy ka tsy nisy nandray Azy.

Nony efa antomotra ny andro
tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao,
dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy
ka nandefa iraka nialoha Azy.
Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray
tany amin’ny Samaritanina,
mba hanomana ny fandraisana Azy;
fa tsy nisy nandray Azy ny olona,
satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe:

“Tompoko,
tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy
handevona azy?”

Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe:

“Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo.
Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.”

Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 1-8)

Indro Aho hanafaka ny vahoaka avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe:

“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho,
sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy.
Tafaverina eto Siôna Aho,
ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema;
i Jerosalema hantsoina hoe:

‘Ny tanànan’ny fahamarinana’;

ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe:

‘Ny tendrombohitry ny fahamasinana.’

Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray,
hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema,
samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy
milalao eny amin’ny kianjany.
Amin’izany andro izany,
na hiseho ho zava-mahagaga aza izany
eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý;
moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany?
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema,
ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo
amin’ny rariny sy ny hitsiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23

Hanorina an’i Siôna ny Tompo, ka hiseho anatin’ny Voninahiny.

Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry!
Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo,
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay,
ary ny taranany hijoro eo anoloanao!
Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra.

Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra,
dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako
dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra
dia izy no lehibe.”

Dia niteny i Joany nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay,
satria tsy namantsika izy.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Aza raràna,
fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...