Vakiteny voalohany

Bokin’i Esdrasa (Esdr. 1, 1-6)

Aoka hiakatra any Jerosalema ny olona rehetra, na iza na iza, hanorina ny tranon’ny Tompo.

Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia:
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra,
hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy
ny fanjakana rehetra eto an-tany,
ary efa nandidy ahy Izy,
hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà.
Ka iza aminareo no vahoakany?
Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo,
ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy,
ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany,
na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io,
amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po
hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.”

Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina,
ny mpisorona sy ny levita,
dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny,
ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy,
tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy
ary zavatra saro-bidy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.

Takoritsika re izao nataon’ny firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!
Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.”

Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo.
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.

Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo velon-kira,
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)

Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 6-9)

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy.
Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka, amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
— Teny marin’ny Tompo. —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18

Eo anilan’izay rehetra miantso Azy ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra;
tsy takatry ny saina ny halehibiazany.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 20d-24. 27a)

I Kristy no velona ato amiko.

Ry kristianina havana,
homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy,
na velona aho na maty.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako,
ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho,
dia ho fahavokaran’ny asako izany,
ka tsy hitako izay hofidiko,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho:
ny handeha ho any amin’i Kristy moa,
iriko sy tsara lavitra;
nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa
no ilaina kokoa noho ny aminareo.
Fa izao ihany e:
manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka maraina koa
hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja;
ka hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko,
fa homeko anareo izay antonony’.

Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana,
dia hoy izy taminy:

‘Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?’

Fa hoy ireo taminy:

‘Satria tsy nisy nanakarama anay’.

Dia hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko’.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:

‘Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany;
aseseo avy aty amin’ny farany,
ka hatrany amin’ny voalohany’.

Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany,
dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy
dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe:

‘Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro’.

Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo:

‘Ry sakaiza,
tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehàna,
fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho?
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?’

Dia ho toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 6, 13-16)

Tahirizo tsy hisy pentina ny didy hatramin’ny fisehoan’ny Tompo.

Ry malala,
izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra,
mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa,
izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty:
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy,
hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany,
dia ilay Andriamanitra sambatra,
Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana,
mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina,
tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy,
ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy mihira, miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny,
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera:
derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo!
fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)

Ireo latsaka amin’ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin’ny faharetana.

Tamin’izany andro izany,
nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa,
dia nanao fanoharana Izy hoe:

“Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany;
ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka
no notsindrohin’ny voro-manidina;
ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka,
nefa nalazo satria tsy nisy mando;
ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo,
dia voagejany;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry,
dia namoa injato heny.”

Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe:

“Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany,
ka izao no navaliny azy:

“Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy,
mba hijery izy fa tsy hahita,
ary handre fa tsy hahafantatra.
Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany:
Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra.
Ireo teny an-dalam-be no izay nandre,
fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony,
sao mino izy ka ho voavonjy.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana,
nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana,
fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre,
fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena
ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa.
Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa
no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim 6, 2d-12)

Aoka ianao, ry olon’Andriamanitra, hikatsaka fahamarinana.

Ry malala,
fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany,
ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika,
sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
dia olona mpieboebo foana izany,
sy tsy mahalala na inona na inona,
fa adalan’ady hevitra aman’ady teny,
izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany,
fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana,
ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana;
satria tsy nitondra na inona na inona isika
no niditra tamin’izao tontolo izao,
ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana,
dia aoka hianina amin’izany.
Fa izay te-hanan-karena,
dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy
sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza,
izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana,
sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra,
handositra izany zavatra izany,
fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka,
finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana,
ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao,
sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

Nahoana aho moa no hatahotra loza
hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony?
Ireo fahavaloko mirehareha,
fa manana ka manontany ny ory.

Fa angaha misy olona maha-avo-tena,
na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo?
Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina,
tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

Raha misy misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy
hankaiza ny fahamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha
nohasohasoiny any an-tampon-doha.
Izao tafaray amin’ny Razany izy,
tsy hahita mazava mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany
nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa
izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...