13 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)
Mangataka, mitalaho dia tena maha olombelona izany. Araka ny voalazan'ny katesizy: amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no hanehoantsika ny fahatsiarovan-tena ny amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : ry zavaboary, tsy isika no fiaviantsika, na tompon’ny fahoriana, na tompon'ny fiafarana, fa mpanota, isika. fantaro , amin’ny maha Kristiana antsika, fa fangatahana dia efa fiverenana aminy Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
12 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Ao amin’ny “Rainay” isika no mivavaka mba hahazo famelan-keloka – izay fanao isan’andro; mila famelan-keloka foana isika - dia ny fiadanana eo amin'ny fifandraisantsika; ary farany, mba hanampiany antsika amin’ny fakam-panahy sy hanafaka antsika amin’ny ratsy. Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco