11 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)
Ao amin’ny “Rainay” koa isika no mivavaka mba hahazo fanomezana tsotra kokoa, ho an’ny fanomezana isan’andro, toy ny “mofo isan’andro” - izay midika koa hoe fahasalamana, trano, asa, zavatra andavanandro; ary izany koa dia midika ho an’ny Eokaristia, ilaina amin’ny fiainana ao amin’i Kristy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
10 septambra 2024 — Tatala, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)
Ny vavaky ny kristiana dia amin'ny maha-olombelona tanteraka - mivavaka amin'ny maha-olombelona antsika isika - dia misy fiderana sy fitalahoana. Eny tokoa, rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka i Jesoa, dia nanao izany niaraka tamin’ny “Rainay” Izy, mba hametrahantsika ny tenantsika amin’Andriamanitra ao anatin’ny fifandraisana feno fahatokiana amin’ny maha-zanaka antsika, sy hametrahantsika ny fangatahana rehetra aminy... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco