6 aogositra 2024 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 2-10)
Araka ny voarakitra ao anatin'ny Salamo dia toe-po tsotra sy mahitsy no tokony hoentina mivavaka. Ny hoe "tsotra sy mahitsy" dia tsy mila olona mihatsara ivelatsihy, misaro-tava, manafin-kilemana ; tsy mila olona manamboatra endrika, izany hoe raha vavaka no resahana dia tsy ilaina ireny mpanao "beauté" sy "esthétique" ireny satria tsy mila "maquiage" na zavatra amboamboarina Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
5 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)
Tokony ho tsapatsika fa tsy miteny irery na manao antso an'efitra isika na miresaka amin'ny rivotra rehefa mivavaka fa tena misy sofina mihaino sy olona manongilantsofina. Tsy hoe ren'Andriamanitra fotsiny ny vavaka ataontsika fa tena mihaino ny vavaka ataontsika izy. Raha mifandray amin'Andriamanitra isika dia tsy hoe foana ny olana fa kosa mitodika sy mitarika antsika makany amin'ny tsara kokoa. Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco