12 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)
Mbola mitohy ny toriteny nataon’i Jesoa tany an-tendrombohitra. Taorian’ny fahasambarana, dia nanome fampianarana iray manontolo momba ny fitiavana, fiantrana, indrindra fa ny fitiavana ny fahavalo i Jesoa: fahavalon’ny tena manokana na fahavalon’ny fianakaviana na fiaraha-monina misy antsika. Inona no tian’i Jesoa ho lazaina amin’io fitiavana ny fahavalo io? Azo fintinina amin’ny teny telo izany araka izay rentsika tamin’ny Evanjely teo: Manaova soa amin’izay mankahala anareo. Miraria soa ho an’izay manozona anareo. Mivavaha ho an’izay mampahory anareo. Izany hoe resaho amin’Andriamanitra izay tia azy koa izy ireo, izay manan-karena amin’ny faharetana sy tara-pahazavana kely ho azy ireo. Rehefa avy nanome toromarika momba ny fitiavana tsy misy fetra i Jesoa, dia niresaka momba ny tsy tokony hanaovana herisetra, ny tsy hamaliana faty: raha misy mamely ny takolakao anankiray, atolory azy koa ny ilany… omeo izay rehetra mangataka aminao.
Mety hiteny isika hoe: “Tsy mitombina izany!” Mieritreritra isika hoe: “Miankina amin’ny zava-misy izany… Tsy maintsy hojerentsika ny zava-misy tsirairay! Mety ho marina izany amin’ny lafiny iray. Tsarovy anefa fa fomba fiaina vaovao no tian’i Jesoa hapetraka, dia fomba fijery vaovao momba ny fiainana, ny zava-mitranga, ny olona ary momba an’Andriamanitra mihitsy. Tokony hanana tombony isika amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika, fa tsy sanatria hitovy amin’ny fiainan’izao tontolo izao: tsy izay ataon’izao tontolo izao dia mety sy mahasoa. Noho izany, tokony ialana izany fisainana mahazatra antsika izany: ny famaliana faty, izay mahatonga antsika hamaly ny ratsy amin’ny ratsy, ny herisetra amin’ny tsy firaharahiana, ny herisetra amin’ny tsy fahampian’ny fiheverana, ny manome sy mandray (atero ka alao), ny “tsy misy na inona na inona”, izay mahatonga antsika hitady valisoa eo no ho eo sy azo refesina amin’ny zava-drehetra.
Ny tena fitiavana dia vonona manome ny aina. Ary izany tokoa no iasan’ny fitiavana an’Andriamanitra. Hoy indrindra i Jesoa hoe: “Tiava ny fahavalonareo, manaova soa, ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.” Sahy miresaka valisoa i Jesoa eto. Fa aiza àry ilay hoe maimaim-poana? Ny fanomezana dia mitoetra ho feno, satria ny valisoa resahin’i Jesoa dia tsy hoe fananana vaovao, fa zava-boary fanampiny. Tsy ho diso fanantenana amin’ny herintsika rehetra isika, satria i Jesoa dia “Zanaky ny Avo Indrindra”. Arakaraka ny hitiavantsika an’Andriamanitra no hampiononana antsika amin’ny maha zanany antsika. Arakaraka ny itiavantsika ny rahalahintsika sy anabavintsika no hitoviantsika isan’andro amin’Andriamanitra Raintsika ao anatintsika. Tsy valisoa mandalo io fitoviana io, fa ilay tena izy sady tanjon’ny fiainantsika eto an-tany mihitsy.