19 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.

Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

18 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...