20 marsa — Zanaky ny manam-boninahitra tao amin'ny tafik'i Clovis faharoa i Wulfran. Rehefa maty ny rainy dia niala tao amin'ny toby izy ka nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary nomeny an'ireo mpitoka-monina tao Fontenelle ny taniny.

Ny taona 682, notendrena no eveka tao Sens izy ary nitantana ny Fiangonana tao nandritra ny roa taona sy tapany. Avy eo, tsapany fa tsy maintsy hitory ny Vaovao Mahafaly any Frise izy ary nandeha tany amin'izany toerana izany. Maro ny olona nampibebahany tao Frise ary anisan'izany ny mpitondra fanjakana tao. Rehefa tsapany fa tontosa ny iraka nataony tany dia niverina tany Fontenelle izy, niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao ary niaina tao mandram-pahafatiny ny taona 720.

Raha nanolotra ny Sorona Masina izy teny ambony sambo indray mandeha, dia latsaka tany an-dranomasina ny patène teny an-tanan'ny diakra, nasainy nahitsin'ilay diakra tamin'ny toerana nahalatsahan'ny patène ny tanany, akory ny hagagan'ny rehetra fa niakatra avy any anaty rano, nankeo amin'ny tanan'ilay diakra ny patène. Maro ny olona manaja an'i Wulfran ao Picardie, ary amin'izao fotoana izao dia mbola hajaina ao Abbeville ny reliques. Tsy vitsy ihany koa ny valim-bavaka azo avy amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ity olomasina ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...