Ny finoana no antoky ny faharetana. Manoloana ny fanenjehana hatramin'ny fanamelohana  ny mpianatr'i Kristy dia ambarany fa : "izay maharitra hatramin'ny farany no voavonjy" (Mt 11, 22). Katesizy momba ny faharetana eo amin'ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina.

Sabotsy 5 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

Mampahory ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitondra, araka ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina. Ory sy fadiranovana ny vahoaka noho ny fitiavan-tenan'ny mpitondra. Tokony hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra anefa ny mpitondra vahoaka. Manoloana ny fanompoana ny vola sy ny fangatsiakam-pon'izao tontolo izao dia tokony manana toe-po mahantra ny Eglizy, izany hoe tsy manao ampihi-mamba, mijery manokana ny mahantra. Fandalinam-pinoana miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Évêque auxiliare d'Antananarivo

Ny fikambanana na ny vaomiera dia manana anjara manampy amin'ny fanohanana na fiainana ny antson'Andriamanitra. Tsara raha mirotsaka amin'ny vaomieran'asa, hanehoana ny finoana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...