Alahady 15 mey 2022 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 31-33a

Ny fifankatiavanareo no hafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo. Antsoina hiaina ny fifankatiavana isika mpianatr’i Kristy. Isika kristianina dia tokony ho mpandamina sy mpizara hafalina sy fanantenana ary mpamafy fiadanana mandarakariva eo amin’ny seha-piainana rehetra misy antsika. Izany fomba fiainantsika izany no hahafantarana antsika fa olona mpanara-dia an’i Kristy isika.

Tsy misy lalana hahafahantsika manambara ny tenantsika hoe krisitianina isika raha tsy miaina ny fitiavana marina. Ny fitiava-namana marina tokoa mantsy no tsiambaratelo farany nanorenan’i Jesoa Kristy ny làlana vaovao. Ho fara fitiavana antsika dia nanolotra ny tenany teo ambony Lakroa izy. Fitiava-namana azo tsapain-tanana no nasehoany antsika. Te hisarika antsika tsirairay izy hiaina io famantarana lehibe io : "mifankatiava ianareo toy ny ny nitiavako anareo." Ny adidintsika mpianany dia ny hitia tahaka an’i Jesoa isika, hangataka ny fahasoavany isan’andro mba hianatra an’izany ao aminy. Miezaka hianatra hiaina ny fitiavan’i Kristy tokoa isika satria ny fiainana ny fitiavana marina dia maneho ny fisian’Andriamanitra eto amintsika. Koa mifampivavaha àry isika mba hiaina ny tena fitiavana marina izay hanentanan’i Kristy antsika rehetra.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...