Sabotsy 14 mey 2022 — Masindahy Matthias, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 15, 9-17

Ry kristianina havana ; mankalaza an’i Masindahy Matiasy apostoly ny Eglizy isaky ny 14 mey. Ankatoavintsika amin’ny fiekem-pinoana fa apostolika ny Eglizy. Ny apostoly manko no vavolombelona nahita maso an’i Jesoa Kristy sy nametrahana tsy diso ny finoana mahavonjy. Fanampin’izany dia i Masindahy Matiasy no nisolo ny toeran’i Jodasy mpamadika mba ho roa ambin’ny folo hatrany ny apostoly. Tsy azo ovana manko izay naorin’ Andriamanitra.

Araka ny fomba fampianaran’i Masindahy Joany amin’ny Evanjely dia miseho amin’ny fitiavana ny finoana. Tsy maintsy tia izay mino. Izany fitiavana izany no hafatrafaran’i Jesoa ny mpianany eto. Fitiavana an’i Kristy no maha kristianina ny kristianina ary miseho amin’ny fitiava-namana izany. Izay fitiavana nitiavan’i Jesoa antsika no tonga fiainantsika ka ifankatiavantsika. Tsy maintsy atao fitsipi-piainana ny fitiavana.

Tohin’ny fitiavan’i Jesoa ny mpianany dia namborahany ny tsiambaratelony ; izay tia matoky. Tia i Jesoa ka niantso, nifidy ary naniraka am-pitokisana. Ny tohin’ny fitiavantsika an’i Jesoa kosa dia fanjakan’Andriamanitra. Izay no fampanantenan’i Jesoa : hahazo zato heny eto amin’ity fiainana ity ary hahazo ny fiainana mandrakizay any an-danitra. Ho mafy orina eo ambon’ny apostoly vatofototra anie ny finoantsika ary tsy ho levona anie ny fitiavantsika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...