14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.

Tamin'izay dia efa niisa 120 teo ho eo ny isan'ny mpianatra nivory tao Jerosalema, tamin'izay i Piera no nitady izay hasolo an'i Jodasy ka nambarany ny fomba hifidianana azy, dia hoe : lehilahy mpiara-dia tamin'izy ireo nandritra ny andro nifaneraserana tamin'i Jesoa, tamin'ny andro nanaovana batemy azy ka hatramin'ny andro nanalana azy sy ny niakarany tany an-danitra, mba ho vavolombelon'ny fitsanganan'i Jesoa ho velona izay voafidy eo. Izao no voalaza momba an'io : "Nisy roalahy natokana hifidianana, dia i Josefa atao hoe Barsabasy, nampiana hoe : i Marina ; sy Matiasy. Ary nivavaka izy rehetra nanao hoe : Ianao no mahalala ny fon'ny olona rehetra tsy an-kanavaka ry Tompo, ka hasehoy izay nofidianao amin'izy roa lahy ireto. Dia nanaovana an-tsapaka izy roalahy ka voafidy i Matiasy, izy no nanampy ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy, ka nahafeno azy ho roa ambin’ny folo". Mpiaro an'ireo mpiala amin'ny fisotroan-taoka, hono, i Matthias.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...