Misy fomba iainana ny antso : ny fitondran-tena mendrika, mikely aina amin'ny fampifanarahana ny toetra antsika sy ny fiantsoana antsika. Raha tsy tanteraka io dia miteraka korontana ho an'ny fiaraha-monina ihany koa. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Sabotsy 22 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 20-21

Kilalaon-teny hanafenana heloka mahatsiravina ny hoe : Fampitsaharana vohoka ara-pahasalamana na ny Interruption thérapeutique de grossesse (ITG). Loza ho an'ny soatoavina moraly ny mahaolona, ny maha-malagasy ary ny maha-kristianina izy io. Tsikera momba ilay volavolan-dalana fampitsaharana vohoka, entin'i P Nicholson Avotriniaina- Doctorant en théologie morale- Université Pontificale Urbaniana.

Inona no lalana amin'ny antso fototra ?. Valin-teny tsy lavitra : Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Misy endrika roa atao hoe antso fototra dia : ny fanokanan-tena amin'Andriamanitra sy ny fanambadiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...