Talata 17 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

Raha ny hita ao amin'ny Testamenta Taloha dia izao no voasoratra : " Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasinana azy, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao ; eto dia mazava fa ny andro sabata no tsy maintsy tandremana sy hakamasinina. Raha hitarina kely ny heviny araka io didin'Andriamanitra io dia andro fitsaharana io. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Alatsinainy 16 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22

Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...