Mila fiomanana maharitra ny fidirana ho amin'ny fanambadiana kristiana mba hialàna amin'ny hevi-dravin'ny fitiavana sy ny filonana ao anatin'ny tokantrano imaso. Ny hoe "tokantrano imaso" dia ny hoe eo imason'ny fiaraha-monina dia mpivady fa tsy nanaraka ny fomba kristiana izany hoe tsy voatso-drano teo anatrehan'ny Fiangonana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Alahady 15 janoary 2023 — Alahady Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona A — Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34

Ny soratra ara-panjakàna no fomba ofisialy ary dingana manaraka ny vodiondry tsy maintsy hataon'ireo miroso amin'ny Sakramentan'ny fanambadiana. Olana tsy havitan'ny fisoratam-panambadiana ny fahasarotan'ny fangalana na fitadiavana ireo antontataratasy ilaina amin'izany. Eo koa metetika vao miseho ireo tsy fahatomombanana mikasika ny fiankohonana nataon'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny vodiondry, dia ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Maro ireo mihevitra fa rehefa vita ny vodiondry dia foana ny sakatsakana tsy ahafahana miray trano. Misy ireo azo adika hoe mihatsara-velatsihy satria efa mitondra vohoka ny vavy dia ezahana atao haingana ny vodiondry. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...