Amin'ny alalan'ny Batemy no handraisantsika na ahazoantsika ny finoana ary tsy vitan'ny hoe azo na raisina fa mila fanabeazana, mila halalinina ary hampitomboina. Tsy mitovy avokoa ny fomba entin'ireo ray aman-dreny maneho ny finoany fa miankina amin'izay fanabeazam-pinoana azony tamin'ireo ray aman-dreniny tany aloha ihany na ireo razany tany aloha. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Alarobia 4 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42
Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Talata 3 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 29-34
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco