Talata 17 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

Manampy antsika hahazo ny hevitr’Andriamanitra manoloana ny andro sabata, na alahady, ny Evanjely izay novakiana tamintsika teo.

Andro fitsaharana amin’ny asa ny andro sabata, andro fialan-tsasatra, izany hoe andro igohana ny fitoniana tao aorian’ny hazakazaka sy fanenjehana birao, tanimbary, orinasa isan-karazany. Andro iainan’ny mpianakavy ao anatin’ny hafaliana sy fialam-boly. Azo heverina fa andro ialana amin’ny fanandevozan’ny asa aman-draharaha. Azo heverina noho izany fa andro iainana bebe kokoa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana ny sabata. Andro anaovan-tsoa sy itandrovana ny ain’olombelona noho izany ny sabata fa tsy firaharahana na fanao tsinontsinona akory. Ary tonga i Jesoa Kristy, hanampy antsika olombelona hihaona bebe kokoa amin’Andriamanitra.

Tsara homarihina fa miteraka tahotra, fitaintainana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fitsipika henjana napetrak’ireo Farisianina mahakasika ny fomba hiainana ny sabata.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...