Lasa fitaovana hisandohana sy hanapotehana ny fiainan'ny hafa ny "facebook". Maro ireo endrika fisandohana eo amin'ny "facebook", miantomboka amin'ny tsy fampisehoana ny marina momba ny olona mitondra ny compte iray. Aoka tsy hadinoina fa mbola miteraka adi-hevitra sy fanontaniana maro hatramin'izao fotaona iresahantsika izao ny momba ny fanajana ny fiainana manokan'ny mpiserasera ny "facebook". Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
20 aprily 2023 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)
Ny "facebook" dia manampy amin'ny asa atao satria azo andefasana ireo dokam-barotra na fampisehoana ny asa atao izy io. Anisan'ny tena liana amin'ny fampiasana "facebook" ny ankizy sy ny tanora, izay manampy azy ireo amin'ny fifanankalozam-pahalalana, ny fianarana lesona, ny fanaovana enti-mody ary ny fanazarana samihafa. Ny "appel vidéo" dia ahafahana manazava izay mila fandalinana. Katesizy momba ny facebook sy ny aterineto, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
19 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco